Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : “Ny mpitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mpandeha tongotra miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy miarahaba ny maro”. Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim
explain-icon

exp

Nanome toromarika momba ny fahalalam-pomba amin'ny fifampiarahabana eo amin'ny samy olombelona ny Mpaminany (S.A.W) nilaza manao hoe : “Assalam Alaikom Wa rahmatollahi Wa barakatoh, izay midika hoe : Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan'I Allah”. ka ny ankizy miarahaba ny lehibe, ny mitaingina miarahaba ny mpandeha tongotra, ny mandeha miarahaba ny mipetraka, ary ny vitsy anisa miarahaba ny maro.

explain-icon

fawaed

  • Tsara ny miarahaba olona araka ny voalaza ao amin'ilay hadith. Fa raha ny mpandeha an-tongotra no miarahaba ny mpitaingina, sy ny hafa ankoatr'izany araka ny voalaza dia mety, saingy mifanohitra amin'ny tokony ho izy sy ny tsara kokoa.
  • Ny fanaparitahana ny fiarahabana araka ny fomba voalaza ao amin'ny hadith dia iray amin'ireo antony mahatonga ny fifankatiavana sy ny fifankahazoana.
  • Raha itovizan'izy ireo anefa ilay voalaza amin'ny hadith dia izay manomboka ny fiarahabana no tsara kokoa amin'izy ireo.
  • Ny fahafenoan’ny lalàna silamika ity eo amin'ny fanazavana izay rehetra ilain’ny olona.
  • Fampianarana ny fahalalam-pomba eo amin’ny fiarahabana sy ny fanomezana ny tsirairay ny zony.
explain-icon

cats

explain-icon

more