Nahita lehilahy iray nihinana tamin’ny tànany havia ny Mpaminany (S.A.W), ka nasainy nihinana tamin’ny tànany havanana izy, namaly tamim-piavonavonana sy lainga ilay lehilahy fa tsy afaka izy! Koa nangataka Doan ho azy ny Mpaminany (S.A.W) mba tsy hahavita hihinana amin'ny tànana havanana. Dia novalin'i Allah ny hataky ny Mpaminaniny ka lasa nalemy ny tànana havanan'ilay lehilahy, ary tsy afaka nampiakatra ny sakafony sy ny zava-pisotrony tany ambavany taorian'izany.