Nampitandrina ny amin'ny tsy rariny ny Mpaminany (S.A.W), anisan'izany ny : tsy rariny amin'ny olona, tsy rariny amin'ny tena, ary ny tsy rariny amin'ny zon'I Allah Tsitoha. Izany dia ny fialana amin’ny fanomezana ny tsirairay ny zony, ary ny tsy rariny dia haizina ho an'ny mpanao azy amin'ny andro farany, noho ny fisian’ny fahasahiranana sy ny horohoro, Noraràny ny fahirana, izay fahirana diso tafahoatra miampy fitandrovana fatratra ny harena, ao anatin'izany ny tsy fahazotoana amin'ny fanatanterahana ny zo ara-bola sy ny fiahiahiana fatratra amin'ny fiainana eto an-tany, Io karazana tsy rariny io dia naha rendrika ireo vahoaka teo alohantsika, satria nanery azy ireo hifamono sy hamela izay noraran’Allah.