Nitatitra i Omar (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nahita lehilahy iray izay nahavita ozò, ka namela ampahany mitovy amin'ny halehiben'ny hoho eo amin'ny tongony, ka tsy voatondraka rano tamin'ny ozò nataony, Hoy izy taminy, sady nanondro ny toerana nisy ny tsy fitandremana : Miverena ary manaova ozò tsara, fenoy izany, ary omeo rano araka ny tokony ho izy ny rantsana tsirairay. Dia niverina ralehilahy, ka nofenoany tanteraka ny ozò nataony, avy eo dia nivavaka.