Milaza ilay mpanara-dia iray Jarir bin Abdollah (R.A) fa nanao fifanekena tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny fanokanana an'I Allah sy hanao ny Soalat dimy tsy maintsy atao andro aman'alina, miaraka amin'ny fepetra sy ny andry ary ny sonnah momba izany, ary ny fandoavana ny zakat voasoratra, izay fanompoana ara-bola tsy maintsy atao, nalaina avy amin'ny manan-karena ka omena ny mahantra mendrika azy sy ny hafa ankoatr'izy ireo, ary hankatoa ireo mpitondra, ary hanoro làlana sy soso-kevitra ho an'ny mpino tsirairy amin'ny alàlan'ny fikatsahana ny mahasoa azy sy hahatongavan'ny hatsarana aminy ary fanesorana ny ratsy amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika.