Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “ Tompo Allah dia tsy manambaka ny Mpino amin’ny asa soa, fa tsy maintsy homena Azy eto an-tany ary hovalian-tsoa amin’izany ihany koa Izy any ankoatra ”, Fa ny Olona tsy Mpino kosa, dia vokisana ny asa soa nataony ho an’i Tompo Allah teto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any an-koatra, dia tsy manana asa soa homena Azy intsony rehefa tonga any Izy ”. Sahih/Authentic. - Muslim
explain-icon

exp

Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny fahasoavan'i Tompo Allah lehibe eo amin'ny Mpino sy ny fahamarinany amin'ireo tsy Mpino. Fa ny Mpino kosa dia tsy mihena ny tambin’ny asa soa izay nataony; Fa kosa, homena valisoa amin'izay nataony Izy eto an-tany noho ny fankatoavany, miaraka amin’izany valisoa hotehirizina ho Azy ihany koa any ankoatra. Ny valisoa manontolo dia mety hatokana ho Azy ihany koa any an-koatra. Fa ny tsy Mpino kosa, i Tompo Allah hamaly soa azy amin'ireo valisoa maro eto an-tany, mandra-pahatongany any amin’ny fiainana any ankoatra, dia tsy hisy valisoa homena azy. Satria ny asa soa izay mahasoa amin'ny tontolo roa dia tsy maintsy asa soa ataon'ny Mpino.

explain-icon

fawaed

  • Na iza na iza Maty amin’ny tsy finoana, dia tsy mahavita manasoa Azy velively mihitsy ny asany teto an-tany.
explain-icon

cats

explain-icon

more