Mampahafantatra Atsika i Mpaminany (S.W.A) fa tsy feno ny finoan'ny mpino iray raha tsy ny fitiavany ilay irak'Allah no laharam-pahamehana noho ny fitiavany ny reniny, ny rainy, ny zanany lahy, zanany vavy, ary ny olona rehetra, ary izany fitiavana izany dia mitaky ny fankatoavana azy sy ny fanohanana azy ary ny fialana amin’ny fikomiana azy.