Milaza i Mpaminany (saw) fa ny Paradisa sy ny Afobe dia akaiky ny Olona, toy ny fehin-kiraro eo an-damosin'ny tongotra, Satria mety hanao asa fankatoavana izay mampifalifaly an'i Tompo Allah Izy mba hidirany any amin'ny Paradisa, na mety manao fahotana sy fahadisoana izay lasa ho antony iray hidirany any amin'ny Afobe.