Tatitra azo avy tamin'i AL-MIkDAD Ibn Maadi Karab (R.a), niteny i Mpaminany (saw) ka nanao hoe : " Raha misy Olona mitia ny Rahalahiny, dia aoka izy hilaza Aminy mivantana hoe Tia Azy Izy ." Sahih/Authentic. - At-Tirmidhi
explain-icon

exp

Manazava i Mpaminany (saw) dia momba ny iray amin'ireo antony manamafy orina ny fifandraisan'ny mpino sy mampiparitaka ny fifankatiavana eo amin'izy ireo, dia ny hoe raha misy olona mitia ny rahalahiny dia aoka izy hilaza amin'ny rahalahiny fa tiany izy.

explain-icon

fawaed

  • Ny hatsaran’ny fitiavana madio noho I Allah ilay Tsitoha, fa tsy noho ny tombontsoan’izao tontolo izao.
  • Tsaratsara ny filazanao mivantana tsy miambahamba amin'ny Olona Tianao nohon'i Tompo Allah ny fitiavanao Azy, mba hampitombo ilay fitiavana sy ny fifankahazoana ao Am-po.
  • Ny fanaparitahana ny fifankatiavana eo amin’ny samy vahoaka Mpino dia fomba iray manamafy orina ny firahalahiana aram-pinoana ary izany koa dia tena hafaka miaro tanteraka ny fiaraha-monina manoloana ny fisaratsarahana sy ny fizarazarana.
explain-icon

cats

explain-icon

more