Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fiainana eto an-tany dia mamy amin'ny tsirony ary maitso eo amin'ny fahitana azy, noho izany dia lasa voafitaka ny olona iray, variana amin'izany ary nataony ho votoanton-draharaha amin'ny fiainany. Ary nataon’Allah hifandimby isika amin’ny fiainana eto an-tany, mba hijereny izay hataontsika, hankatò Azy ve isika sa tsy hankatò? Dia niteny izy : Mitandrema ianareo mba tsy ho voafitaky ny fahafinaretana sy ny haingo eto an-tany, ka hitarika anareo izany handao izay nandidian’Allah anareo ary ho latsaka amin’izay nandrarany. Anisan'ny zava-dehibe indrindra izay tsy maintsy tandremana amin'ny fakam-panahy eto an-tany dia ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy, ary io no fakam-panahy voalohany naharendrika ireo Zanak'Isiraely.