Nanontany ny Mpaminany i Fatima binti Hobayshi manao hoe : "Tsy mijanona ny ràko ary mitohy izany na dia tsy tonga fotoana aza aho. Ka moa ve izany mitovy amin'ny lalànan'ny fadimbolana ihany ka hajanoko ny soalat? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : io dia rà istihàdha, rà aretina, vokatry ny fahatapan’ny lalan-drà ao amin`ny tranonjaza, fa tsy rà tonga fotoana. Raha tonga ny fotoana fadim-bolana, araka ny fanaonao isam-bolana talohan’ny naharariana noho ny istihadha, dia avelao ny soalat, ny fifehezana, ary ny zavatra hafa tsy azon’ny vehivavy tonga fotoana hatao amin’ny fotoanan’ny fadim-bolana. Rehefa tapitra io fe-potoana io dia ho madio amin’ny fadim-bolana ianao, koa sasao ny toerana misy ny rà, dia sasao avokoa ny vatanao mba hanesorana ny loto, dia mivavaha.