Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa Allah dia nandidy azy hiankohoka amin'ny rantsambatana fito rehefa mivavaka. Ireto avy izany : Voalohany : Ny handrina : izay ampahany amin'ny tarehy eo ambonin'ny orona sy ny maso. Nanondro ny orony tamin’ny tànany ny Mpaminany (S.A.W.), ka ny handriny sy ny orony dia iray amin’ireo fito, ary nohamafisina fa ny olona miankohoka dia tsy maintsy mikasika ny tany amin’ny orony. Ny rantsana faharoa sy fahatelo : dia ny tanana roa. Ny fahefatra sy fahadimy: dia ny lohalika roa Ny fahenina sy fahafito: dia ny rantsan'ny tongotra roa Nandidy anay izy mba tsy hamatotra ny volonay na hanangona ny akanjonay rehefa miankohoka amin’ny tany mba hiarovana azy. Fa avotsotray hilatsaka amin’ny tany ka hiankohoka miaraka amin’ireo rantsana.