Nandalo teo amin’ny fasana roa ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Tena iharan'ny sazy tokoa ny tompon’ireo fasana roa ireo; nefa tsy voasazy izy roa noho ny fahotana lehibe araka ny noeritreretinareo, na dia lehibe aza izany eo anatrehan’Allah. Ny iray tamin’izy roa dia tsy niraharaha amin'ny fiarovana ny vatany sy ny lambany rehefa mipipy eo am-pamoahana ny malotony. Ny iray kosa dia nanely fosafosa teo amin’ny olona, nampita ny tenin’ny hafa tamin’ny fikasana hanisy ratsy sy hiteraka tsy fitovian-kevitra ary fifanolanana eo amin’ny samy olona.