Manazava i Mpaminany (S.W.A) ny hatsarana amin'ny fidirana ao amin'ny Finoana Islam. Ary izay nandray ka niditra nanaraka ny Finoana Islam ary nankatsara ny finoany no sady madio Fo sy marina; dia tsy anisany ireo izay ho tsaraina amin'ny fahotana nataony Izy nandritra ny vanom-potoanan'ny habadoana izay nanaovany izany fahotana sy fahadisoana izany. Ary izay nanaratsy ny fitondran-tenany tato amin'ny Finoana Islam ka nihatsaravelatsihy na koa nivadi-pinoana ka niala amin'ny Finoana Islam; dia ho tsaraina amin'izay rehetra vitany tamin'ny tsy finoany sy izay rehetra nataony tato amin'ny Finoana Islam.