Nandrara i Mpaminany (S.W.A) ny fipetrahana eo ambonin'ny fasana. Dia mbola nandrara ihany koa ny fanaovana Soalat eo amin'ny fasana, tahak'izany ny fanaovana ny fasana any amin'ny Quiblat fanaovana Swalat, satria izany dia làlana mitarika amin'ny fanompoan-tsampy.