Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy mijery ny tarehin'ny mpanompony sy ny vatany, tsara tarehy ve izy ireo sa azo tsinontsinoavina? Lehibe sa kely? Salama sa marary? Tsy mijery ny fananan’izy ireo Izy, betsaka ve sa vitsy? Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia tsy manasazy sy hitsara azy ireo amin’ireo raharaha ireo na ny tsy fitovizan’izy ireo ao amin'izany fa Mijery ny ao am-pon’izy ireo sy izay ao anatin’izy ireo momba ny fatahorana sy ny fitokisana, ny fahamarinana sy ny fahadiovam-po, na ny mikasa fireharehana sy ny laza, ary Mijery ny asan’izy ireo amin’ny fahamarinany sy ny fahalotoany Izy, Ka hahazo valisoa sy hanasazy azy ireo noho izany.