explain-icon

exp

Milaza amintsika ny Mpaminany (S.A.W) fa izay manolotra zavatra tokony ho an'I Allah irery ihany amin'ny hafa ankoatra Azy, toy ny fanaovana fangatahana amin ankoatra an'I Allah Tsitoha, na ny fitadiavana vonjy amin'ny hafa ankoatra Azy, ka maty tao anatin'izany izy dia anisan'ny olon'ny Afobe. Nanampy i Ibn Masoud (R.A) fa izay maty tsy nanambatra an’I Allah amin'ny hafa dia ho any amin'ny Paradisa ny làlan-kizorany.

explain-icon

fawaed

  • Ny fitalahoana dia fanompoana izay tsy azo atao afa-tsy amin’I Allah Tsitoha.
  • Ny valisoa azo amin'ny fanokanana an'I Allah, izay maty ao anatin'izany dia hiditra amin'ny Paradisa, na dia ho saziana aza izy noho ny fahotana sasantsasany vitany.
  • Ny loza ateraky ny fanompoan-tsampy, ary izay maty ao anatin'izany dia hiditra amin'ny helo.
explain-icon

cats

explain-icon

more