Nangataka tamin'ny Tompony i Mpaminany (saw)mba tsy hanao ny fasany ho toy ny sampy ivavahan’ny Olona noho ny fanajana Azy sy ny fandraisana izany amin’ny fiankohofana. َAry nabaran'ny Mpaminany (saw) fa izay nakalavirin'i Tompo Allah sy navokany teo ambany famindram-pony izay Olona nadray ny fasan'ireo Mpaminany ho fivavahana. Satria ny fandraisana azy ireo ho tranom_pivavahana dia antony iray manosika Anao hivavaka Aminy sy hino ary hientehitra amin'izany.