Tsy fantatry ny Mpaminany (S.W.A) ny fisaran'ny toko (Sourat) ao amin'ny Boky masina Koroany teo aloha raha tsy efa nidina ny teny hoe Bismillahir-rahmànir-rahim (Amin'ny Anaran'i Allah ilay be fiantrana sy be famindram-po)

Tatitra azo avy tamin'i Ibn A'bbas (R.D), Niteny hoe : Tsy fantatry ny Mpaminany (S.W.A) ny fisaran'ny toko (Sourat) ao amin'ny Boky masina Koroany teo aloha raha tsy efa nidina ny teny hoe Bismillahir-rahmànir-rahim (Amin'ny Anaran'i Allah ilay be fiantrana sy be famindram-po).
Sahih/Authentic. - Abu Dawood

Manazava i Ibn A'bbas (R.D) fa ny toko ao amin'ny Boky masina Koroany izay midina tamin'ny Mpaminany (S.W.A) dia tsy fantany ny fisarahan'izy ireo na ny fiafaran'izy ireo raha tsy efa midina ny : " Bismillahir-rahmànir-rahim ". Eo vao fantany fa efa tapitra ny Toko teo aloha, ary io no fiandohan’ny Toko vaovao.

  1. Ny Basmala (Bisimillahi) no manasaraka ireo Sourah, afa-tsy eo anelanelan'ny Sourat Al-Anfal sy Sourat Al-Tawbah.

Successfully sent!