Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny mpino tsirairay mamaky ny litera ao amin'ny bokin'Allah dia hahazo valisoa, ary hampitombona io valisaoa io hatramin'ny folo avo heny. Avy eo dia nanazava izy (S.W.A) amin'ny teniny manao hoe : (Tsy hiteny aho hoe : {Alif, Lam, Mim} litera iray, fa ny {Alif} dia raisina ho litera iray ary ny {Lam} ihany koa dia Litera iray ary ny {Mim} dia litera iray : Ka ny litera telo dia ho ho hahazoana valisoa telopolo.