Tonga lehilahy iray nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fihetsik'ireo andevo roa ireo, mandainga amiko, mamitaka ahy, ary tsy manaja ahy, ka miteny ratsy amin'izy ireo aho ary kapoiko, ahoana ny toerako amin'izany?, Namaly izy : "@ Tsaraina amin'ny fitaka sy fikomiana ary ny lainga nataony izy ireo ary hotsaraina amin'ny fanasazina izay nataonao tamin'izy ireo kosa ianao. Ka raha ny sazy izay nataonao tamin'izy ireo mifanaraka tamin'ny fahadisoan'izy ireo dia efa hampy izany tsy misy ho anao na koa havoa anao, fa raha latsakan'izay nataon'izy ireo dia hahazoanao valisoa, fa raha mihoatra ny nataon'izy ireo ny sazy izay nataonao dia ho tsaraina ianareo ka ho efainao ny mihoatra amin'izany,". Nisitaka ilay lehilahy ka nitomany, avy eo Niteny i Mpaminany (S.A.W) hoe : Tsy novakinao va ilay tenin'ny Allah hoe : {Hapetrakay ny Mizana marina amin'ny andro farany tsy hisy olona ho tratran'ny fitongilanana na kely aza}. [Al- Anbia : 47] , Ka tsy hisy fanambakana mihitsy amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, ary ho marina avokoa ny fifandanjana , ka niteny ilay olona hoe o! Ry irak'Allah tsy mahita ny soa amiko sy eo amin'izy ireo aho ka aleoko ny misaraka amin'izy ireo, Mijoro ho vavolombelona aminao aho fa avelako afaka izy rehetra noho ny amin’i Tompo Allah. Tahotra ny amin'ny hotsaraina sy hampijalina.