Nilaza ny mpiara-dia amin'ny Mpaminany (S.A.W) antsoina hoe : omm A'ttiya (R.A) fa ny vehivavy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nihevitra ny tsiranoka mavo mivoaka avy amin'ny taovam-pananahana ho fadimbolana - ary ny lokony dia mirona makany amin'ny mainty na mavo - aorian'ny fahadiovana tamin'ny fadimbolana : ka tsy namela ny Soalat sy ny fifehezana noho izany izy ireo.