Tatitra azo avy amin'i Omm A'tiya, ary izy dia nanao velirano tamin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana.
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari with a similar wording

Nilaza ny mpiara-dia amin'ny Mpaminany (S.A.W) antsoina hoe : omm A'ttiya (R.A) fa ny vehivavy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nihevitra ny tsiranoka mavo mivoaka avy amin'ny taovam-pananahana ho fadimbolana - ary ny lokony dia mirona makany amin'ny mainty na mavo - aorian'ny fahadiovana tamin'ny fadimbolana : ka tsy namela ny Soalat sy ny fifehezana noho izany izy ireo.

  1. Ny rano mivoaka avy amin'ny fivavian'ny vehivavy - aorian'ny fahadiovana amin'ny fadimbolana - dia tsy heverina ho loto, na dia misy tsiranoka mavo azo avy amin'ny rà aza.
  2. Ny fivoahan'ny tsiranoka mavo amin`ny fotoana tonga fotoana dia heverina ho fadimbolana. Satria izany rà amin'ny fotoany, afa-tsy hoe mifangaro amin'ny rano.
  3. Ny vehivavy dia tsy mamela ny Soalat sy ny fifehezana noho ny tsiranoka mavo mipoitra aorian'ny fanadiovana, fa tokony hidio isaky ny hivavaka.

done