explain-icon

exp

Ny Mpaminany (S.W/A), dia milaza amintsika fa Allah ilay avo Tsitoha dia nandidy antsika hanao soa amin'ny zavatra rehetra, ary ny fanaovana soa : dia ny fitandremana an'Allah mandrakariva, amin'ny fanompoana azy sy amin'ny fiezahana manao soa ary ny fitsaharana amin'ny fanaovan-dratsy manoloana ireo zavaboary, ary tafiditra ao anatin'izany fanaovan-tsoa izany ny famonoana sy fanapahana. Ny fanaovan-tsoa amin'ny fampiarana didy famonoana : Dia ny fisafidiana fomba mora indrindra, maivana ary haingana indrindra amin'ny fanalana fofon'ain'Olona ho vonoina. Ny fanaovan-tsoa amin'ny fanapahana kosa : Dia ny fangorahana amin'ilay biby amin'ny alàlan'ny fandrangitana tsara ny fitaovana, ary tsy rangitina eo anoloan'ny biby hovonoina raha mijery izany izy, ary tsy mamono azy raha mbola misy biby fiompy hafa mijery azy.

explain-icon

fawaed

  • Ny famindram-pon’Allah ilay avo Tsitoha sy ny hatsaram-panahiny amin’ny zavaboary rehetra izay nohariany.
  • Ny fanaovan-soa amin'ny famonoana sy ny fanapahana dia tokony hatao amin'ny fomba ara-dalàna.
  • Ny fahafenoan'ny Lalàna Islamika sy ny fandrakofany ny Zavatra tsara rehetra, ao anatin'izany ny famindram-po sy ny fangorahana amin'ny biby.
  • Voarara ny manao Ohatra ny olona iray aorian'ny famonoana azy.
  • Fandrarana izay rehetra miendrika fampijaliana ireo Biby.
explain-icon

cats

explain-icon

more