Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay Niteny ny teny hoe : " Là ilàha illal-loàho Wahdahò là Sharìka-lahou lahol-molkou wa lahol-hamdou wa howa an'là kolly Shayin-qadìro," izay midika hoe : Tsy misy tompo marina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miasa aminy, ary Izy dia Ilay manana ny fanapahan-kevitra tanteraka, ary mendrika ny hoderaina sy omem-boninahitra amim-pitiavana sy hajaina ka tsy misy ankoatra azy, ary izy no Mahery Indrindra ary tsy misy tsy vitany. Na izay mamerina izany fahatsiarovana lehibe (Zikri) izany im-polo isan’andro; dia hahazo valisoa mitovy amin’ny tambin’izay nanala ny fanandevozana tamin’ireo andevo efatra tamin’ny taranak’i Ismail bin Ibrahim izy, ary ny taranak’i Ismaela no nisafidiany satria manan-kaja kokoa noho ny hafa izy ireo.