Nandrara ny tsy fanaovana fanompoam_pivavahana ao amin'ny trano amin'ny fotoana lavabe i Mpaminany (saw), ka lasa ho toy ny fasana ny trano tsy misy Olona mivavaka ao anatiny ". Ary nandrara ny fitsidihana ny fasana amin'ny fomba matetika sy miverimberina tsy tapaka mihitsy i Mpaminany ( saw) Satria izany dia lalana iray mety mitarika ny fanompoan-tsampy ". Nandidy atsika mba hivavaka sy handefa fiarahabana Aminy Isika na aiza na aiza eto an-tany ny toerana misy Antsika. Satria izany dia ho tonga any aminy na avy amin'ny olona akaiky sy ny lavitra, ka tsy ilaina ny mivezivezy mankany amin'ny fasany..