Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Inona no asa tian’Allah indrindra? Namaly izy : Ny vavaka tsy maintsy atao amin’ny fotoana voatondron’ny lalàna. Avy eo, fanajana ray aman-dreny amin’ny fanehoana hatsaram-panahy aminy, amin’ny fanatanterahana ny zony, ary amin’ny fialana amin’ny tsy fanajana azy. Avy eo dia ny jiady amin'ny làlan'Allah, mba hanandratana ny tenin'Allah ilay Tsitoha, hiaro ny finoana silamo sy ny vahoakany, ary haneho ny fombafombany, amin'ny vatana sy ny vola. Niteny Ibn Mas’od 'R.A) : Lazao ahy ireo asa ireo; Ary raha mbola niteny taminy aho hoe : inona no aorian'izany? dia nampiany hatrany izy.