Milaza i Mpaminany (S.A.W) fa ny olona manampinoana feno indrindra dia izay manana toetra tsara indrindra, ary izany dia tazana amin'ny endrika madio, miezaka manao asa tsara, miteny tsara ary mihataka ny ratsy. Ny tsara indrindra amin’ireo mpino dia izay mendrika manoloana ireo vehivavy, toy ny vadiny, ny zanany vavy, ny anabaviny ary ny havany vehivavy. Satria izy ireo no tena mendrika hanehoana ny hatsarampanahy.