Manambara izany i Mpaminany (saw) ka manao hoe : Ny olona tonga lafatra amin'ny fifandraisan'ny havan-tiana sy ny fanaovan-tsoa amin'ny havana dia tsy izay mamaly soa amin'ny soa natao azy, Raha ny marina, ny tena lavorary amin’ny fifandraisan’ny mpihavana dia izay, raha tapaka ny fihavanana dia mampifandray izany izy, na dia mampijaly azy aza ireo dia maneho ny hatsaram-panahy amin’izy ireo izy.