Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia misy sampana sy fizarana maro, ka tafiditra ao ny asa sy ny foto-pinoana ary ny teny. Ary ny avo sy tsara indrindra amin'izany dia ny fitenenana : "Là ilàha illal-làhou", mahalala tsara ny dikany, manatanteraka ireo asa takiany, izany hoe : izy Allah no tompo tokana mendrika ho tompoina ary tsy misy ny ankoatrany. Ny ambany indrindra amin'ny asan'ny finoana dia ny manala izay rehetra mety manimba sy mandratra ny olona amin'ny làlany. Avy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahaizana menatra dia anisany amin'ny finoana, ary izany dia toetra mitarika amin'ny fanaovan-tsoa sy ny famelana ny ratsy.