Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy manan-kery ny swalat raha tsy amin'ny alàlan'ny famakiana ny Sorat Al-Fatihah, satria anisan'ny andrin'ny soalat isaky ny rakaat izy.
fawaed
Tsy mahasolo ny famakiana Soratol-fatiha ny sorat hafa ankoatrany raha mahavita mamaky azy
Fahasimban'ny rakat izay tsy namakiana soratol-fatiha, na fanahiniana izany na tsy fahaizana na fahadinoana, satria izy dia andry, ireo andry rehetra dia tsy azo avela mihitsy.
Azon'ny olona tarihina atao ny tsy mamaky soratol-fatiha raha toa ka nahatratra ny mpitarika eo am-piondrehana izy