Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky

Tatitra azo avy tamin'i Oubada Ibn Soamit (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky"
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy manan-kery ny swalat raha tsy amin'ny alàlan'ny famakiana ny Sorat Al-Fatihah, satria anisan'ny andrin'ny soalat isaky ny rakaat izy.

  1. Tsy mahasolo ny famakiana Soratol-fatiha ny sorat hafa ankoatrany raha mahavita mamaky azy
  2. Fahasimban'ny rakat izay tsy namakiana soratol-fatiha, na fanahiniana izany na tsy fahaizana na fahadinoana, satria izy dia andry, ireo andry rehetra dia tsy azo avela mihitsy.
  3. Azon'ny olona tarihina atao ny tsy mamaky soratol-fatiha raha toa ka nahatratra ny mpitarika eo am-piondrehana izy

Successfully sent!