Nandidy amin'ny fanononana ny anaran'Allah ny Mpaminany (S.A.W), rehefa miditra ao an-trano sy alohan'ny hisakafo, ary raha manonona an'Allah izy amin'ny filazana hoe : (Bismillahi) rehefa miditra ao an-tranony sy manomboka ny sakafony, dia hoy i Satana amin’ireo mpanampy azy : Tsy manana anjara hatory na hisakafo ato amin’ity trano ity ianareo, trano izay niaro tena taminareo ny tompony tamin’ny fahatsiarovana an'Allah. Fa raha ny olona iray kosa no niditra ny tranony ka tsy nanonona ny anaran’Allah teo am-pidirana na teo am-pisakafoanana, dia lazain’i Satana amin’ireo mpanampy azy fa nahatratra sakafo sy afaka matory amin'izany trano izany izy ireo.