Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho

Tatitra azo avy amin'i Oussam Ibn Zayd (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy namela fakam-panahy mampidi-doza ao aoriako mihaotra ny lehilahy amin'ny vehivavy aho."
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim

Nilaza i Mpaminany (S.A.W) fa tsy namela tao aoriany ny fitsapana na fakampanahy mahery vaika izay manimba mihoatra fakampanahy ny lehilahy amin'ny vehivavy; Raha anisan’ny ankohonany ilay vehivavy, dia vosedra izy fiarovana azy amin’ny fandikan-dalàna, ary raha olon-tsy fantatra (tsy ankohonany) kosa ilay vehivavy, dia vosedra izy amin’ny fifangaroany sy ny fiarahany mitakosina aminy ary ny faharatsiana aterak’izany.

  1. Tena tokony ataon'ny mpino silamo dia mitandrina amin'ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy, ary manidy ny làlana rehetra izay mitondra makany amin'ny fakam-panahy.
  2. Tokony hifikitra amin’Allah ny mpino ary maniry mba ho voaro amin’ny fakam-panahy.

Successfully sent!