Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny toetra tsara dia mitondra ny tompony amin'ny toeran'ny olona mifady hanina tsy tapaka mandritra ny andro sy mivavaka amin'ny alina, ary ny fitambaran'ny hatsaran-toetra dia : fanaovana ny tsara, fitenenana ny tsara, fitsikitsikina amin'ny tarehy, tsy manao ratsy ny hafa, miaritra izay ratsy ataon'ny olona.