Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny : i Mpaminany (S.W.A) dia tsy mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy. Sahih/Authentic. - Al-Bukhari
explain-icon

exp

Isan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.W.A) ny tsy fandavana ny ranomanitra nomena Azy, fa izay nomena Azy dia raisiny avokoa; satria izany dia maivana no sady tsara fofona.

explain-icon

fawaed

  • Fanekena ny fandraisana ny ranomanitra izay omena; Satria tsy mitaky hery amin'ny fitondràna azy ary tsy misy tsiny ihany koa ny amin'ny fandraisana azy.
  • Fahafenoan'ny hatsaran-toetra izay hanan'ny Mpaminany (S.W.A) no nahatonga ny tsy famerenany lay ranomanitra nomena Azy ary fanekena ny fanomezana izay nomena azy.
  • Ny famporisihana amin'ny fampiasana ny ranomanitra.
explain-icon

cats

explain-icon

more