i Mpaminany (S.W.A) dia tsy mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny : i Mpaminany (S.W.A) dia tsy mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy.
Sahih/Authentic. - Al-Bukhari

Isan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.W.A) ny tsy fandavana ny ranomanitra nomena Azy, fa izay nomena Azy dia raisiny avokoa; satria izany dia maivana no sady tsara fofona.

  1. Fanekena ny fandraisana ny ranomanitra izay omena; Satria tsy mitaky hery amin'ny fitondràna azy ary tsy misy tsiny ihany koa ny amin'ny fandraisana azy.
  2. Fahafenoan'ny hatsaran-toetra izay hanan'ny Mpaminany (S.W.A) no nahatonga ny tsy famerenany lay ranomanitra nomena Azy ary fanekena ny fanomezana izay nomena azy.
  3. Ny famporisihana amin'ny fampiasana ny ranomanitra.

Successfully sent!