Tatitra azo avy tamin'i Bourayda (R.A) niteny hoe : Afaingano ny Swalat Asri, Satria i Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Izay namela tsy nanao Swalat Asri dia ho zava-poana ny asa fanoampoana vitany". Sahih/Authentic. - Al-Bukhari
explain-icon

exp

Nampitandrina i Mpaminany (S.W.A) amin'ny fanemorana ny Soalat Asri amin'ny fotoanany ka minia manatara izany, ary izay manao izany dia tsy manan-kery ary simba sy rava ny asa soa vitany.

explain-icon

fawaed

  • Famporisina amin'ny fifikirana ny fanaovana Swalat Asri amin'ny voaloham-potoana sy ny fiazakazana amin'izany.
  • Ny fandrahonana mafy ho an'izay manao tsirambina ny vavaka tolakandro (Swalat Asri) sy ny tsy fanaovana azy amin'ny fotoana mahamety azy dia lehibe noho ny tsy fanaovana vavaka hafa, satria io no vavaka afovoany voafaritra manokana ao amin'ny bokin'i Allah ilay Tsitoha: (Aoka ianareo hitandro mandrakariva ireo vavaka fanompoana Swalat, indrindra ny vavaka fanompoana afovoany) [Al-Baqarah: 238].
explain-icon

cats

explain-icon

more