i Mpaminany (S.W.A) dia mamerimberina io tonombavaka io aorian'ny famaranany ireo Swalat obligatoire, ary ny dikany dia : " Là ilàha illàl-làho " : izay midika hoe : Tsy misy Tompo tompoina am-pahamarinana afa-tsy i Allah irery ihany. "Wahdahou La charika lahou" : Tsy misy mpikambana Aminy amin'ny maha Zanahary Azy sy ny maha Mpiahy Azy na eo amin'ireo Anarany sy ny Lazany izany. " Lahoul-moulk = Azy avokoa ny fanjakàna " izany hoe : Azy ny fanjakàna rehetra amin'ny endrika feno izay midadasika manenika ny lanitra sy ny tany ary manelanelana azy roa. " wa lahol-hamdou " izany hoe : Izy no manana lazan'ny fahafenoana tsy mana-petra, deraina amin’ny fahatanterahana noho ny fitiavana sy ny fanajana amin’ny toe-javatra rehetra, na amin’ny tsara na amin’ny ratsy. " wa howa an'là kolly Shayin-qadìr " : Feno dia feno ny heriny amin’ny lafiny rehetra. Ary tsy misy ny tsy vitany, ary tsy misy ny tsy hainy. "Là hawla walà qowwata illà billàhy" izany hoe : Tsy misy fiovana avy amin’ny toe-javatra iray ho amin’ny iray hafa, na amin’ny tsy fankatoavana an’Allah, ho amin’ny fikomiana Azy. Tsy misy hery afa-tsy amin’Allah, satria Izy no Mpanampy ary any aminy ny finoantsika. " Là ilàha illallahou walà na'bodo illà iyyàhou " : Fanamafisana ny dikan’ny maha-tompo Zanahary azy sy ny fandavana ny fanompoan-tsampy, ary tsy misy mendrika hivavahana afa-tsy Izy Allah. " Lahoun-ni'mat wa lahoul-fahdlou " : Izy no Nahary ny fahasoavana ary manana, ary Izy no misafidy izay tiany omena izany fahasoavana izany amin'ireo Mpanompony. "wa lahout-thanàol-hasan - Ary Azy ny fiderana tsara”: ho an’ny tenany, ny toetrany, ny asany, ny fahasoavany, ary amin’ny toe-javatra rehetra. "Là ilàha illal-làhou Mokhliswìna lahod-dìna" : izany hoe : Manokana azy amin'ny fanompoana, tsy misy fireharehana na laza tsara amin’ny fankatoavana an’Allah. " walao karihal-kàfiròna - Na dia halan’ny tsy mpino aza izany”, izany hoe : Miorim-paka amin’ny finoana an’Andriamanitra sy ny fanompoam-pivavahana Aminy, na dia mankahala azy ireo aza ny tsy mpino.