Nambaran’ny Mpaminany (S.A.W) mazava tsara fa izay mitarika sy manoro làlana ary mamporisika ny olona ho amin’ny làlana misy ny fahamarinana sy ny hatsarana, amin’ny alàlan’ny teny na ny fihetsika dia hahazo valisoa mitovy amin’ny azon'ireo nanaraka azy, tsy misy fihenana na dia kely amin'ny valisoa azon’ny mpanaraka izany. Ary izay mitarika sy manoro làlana ny olona ho amin’ny lalan-diso, sy ratsy, izay misy fahotana sy fahadisona, na zavatra tsy azo atao, amin’ny alàlan'ny teny na amin’ny fihetsika, dia hibaby enta-mavesatra mitovy amin’ny fahotan’izay manaraka azy izy, nefa tsy misy fihenana na dia kely amin’ny fahotan'izy ireo izany.