“Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Izay mpamindra fo dia hamindra fo aminy Ilay Be indrafo, mamindrà fo amin’ny mponin’ny tany, dia hamindra fo aminao izay any an-danitra”.
Sahih/Authentic. - At-Tirmidhi

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ireo izay miantra ny hafa dia hamindra fo aminy ilay Be indrafo, amin'ny alalan'ny famindram-pony izay mandrakotra ny zava-drehetra, valisoa mifanaraka. Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) nandidy ny amin'ny famindram-po ho an'ny zavatra rehetra eto an-tany, na olona, ​​na biby, na vorona, na karazana zavaboary hafa, ary ny valisoa amin'izany dia Allah avy any ambony any an-danitra hamindra fo aminao.

  1. Ny finoana silamo dia finoan'ny famindram-po, ary mifototra tanteraka amin'ny fankatoavana an'Allah sy ny hatsaram-panahy amin'ny zavaboary.
  2. Allah ilay Tsitoha dia manana ny toetoetra mpamindra-fo, ary Izy Ilay Be fiantrana, Be famindram-po, Ilay mampita ny famindram-po amin'ny mpanompony.
  3. Ny valisoa dia mitovy amin'ny asa natao, ka izay mamindra fo dia hamindra fo aminy Allah.

Successfully sent!