Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Izay mandainga ny amiko an-tsitrapo, dia efa nametraka ny toerany ao amin'ny Afobe". Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim
explain-icon

exp

Nilaza mazava tsara ny Mpaminany (S.A.W) fa izay minia mandainga ny aminy, amin'ny alàlan'ny teny na fihetsika dia hipetraka any amin'ny Afobe izy any ankoatra. Sazy noho ny lainga nataony ny amin'ny Mpaminany (S.A.W).

explain-icon

fawaed

  • Ny mandainga ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) fanahy iniana sy an-tsitrapo dia antony mampiditra amin'ny Afobe.
  • Ny lainga atao ny amin'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy mitovy amin'ny lainga atao amin'ny olon-kafa rehetra, noho ny faharatsiana lehibe aterak'izany eo amin'ny finoana sy ny eto an-tany.
  • Fampitandremana amin'ny fampielezana hadith mialohan'ny fanamarinana sy famotopotorana ny fahamarinan'ny fifandraisany amin'ny Mpaminany (S.A.W).
explain-icon

cats

explain-icon

more