Nisy lehilahy avy any ambanivohitra nangataka tamin'Irak'Allah mba hampianatra azy tonom-bavaka ho teneniny. Dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : Mitenena : "Là ilàha illallàho wahdahò là sharìka lahò -izay midika hoe : Tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah irery ihany, tsy misy mpiara-miombona aminy.” Nanomboka tamin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanokanana an'Allah izy, izany hoe tsy misy tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, "Allàho Akbar", Izay midika hoe : "Allah no lehibe indrindra". Izany hoe : Allah no lehibe mihoatry ny zavatra rehetra ary Be voninahitra "Walhamdo lillàhi Kathiran", izay midika fisaorana betsaka no atolotra ho an'Allah Izany hoe : Fisaorana betsaka ho an’Allah noho ireo toetoetrany sy ny asany ary ny fahasoavany tsy tambo isaina. "Sobhanallàhi Rabbil 'alamìn", izay midika hoe : Dera ho an'Allah Tompon'izao tontolo izao. Izany hoe : Manalavitra ny tsy fahalavorariana sy tsy fahatomombanana, "Là hawla wala qowwata Illà billàhil-'Azizil-Hakìm", Izay midika hoe : "Tsy misy hery sy tanjaka afa tsy amin'Allah, ilay Matanjaka sy Hendry". Izany hoe : Tsy afaka miova ho amin'ny hafa ny toe-draharaha iray afa-tsy amin’ny alalan'Allah sy ny fanampiana avy aminy ary ny fanamaivanany. Hoy ilay lehilahy: Ireo teny ireo dia ho an'ny Tompoko sy ny fanomezam-boninahitra Azy, koa inona no tokony hangatahiko ho an'ny tenako? Dia namaly azy ny Mpaminany (S.A.W) nanao hoe : Mitenena ianao: "Allahommaghfirli", izay midika hoe : Tompo Allah oo, mamela ny heloko Amin'ny famafana ny asa ratsy sy fanaronana azy, "Warhamni", izay midika hoe: mamindra fo amiko Amin'ny fahazoana hatsarana ara-pinoana sy ara-piainana eto an-tany ho ahy, "Wahdinì", izay midika hoe : ary tariho aho Ho amin'ny toe-piainana tsara indrindra sy mankany amin'ny làlana mahitsy, "Warzoqni", izay midika hoe : ary omeo anjara aho Harena madio, fahasalamana, ary ny soa rehetra sy ny fahasalamana.