Nilaza momba ny fiainam- piainany manokana miaraka amin'ny Mpaminany (S.A.W) ny renin'ny Mpino Aisha (R.A), isan'izany ny : nidio tamin'ny fahalotoana lehibe niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) izy, tao anaty siny be iray ka samy naka rano tao aminy. Ary raha tia hanafosafo azy mandritra ny fadim-bolana ny Mpaminany (S.A.W), dia nasainy nanarona ny vatany miainga eo min’ny foitra ka hatrany amin’ny lohalika, mba hahafahany miaraka aminy fa tsy misy firaisana. Ary rehefa nanao I'tikaf tao amin'ny moske ny Mpaminany (S.A.W) dia namoaka ny lohany tany amin'i Aisha, ka nosasany izany, any an-tranony ihany anefa izy no sady tao anatin'ny fadim-bolana.