Manazavana i Mpaminany (S.A.W) hoe : fa ny fisaoran’ny mpanompo ny Tompony noho ny fahasoavany sy ny fitahiany dia iray amin’ireo zavatra hahazoany fahafaham-po amin’Allah. Rehefa nihinana ny hanina izy ka niteny hoe : (Alhamdoulillahi) Isaorana anie Allah, ary rehefa misotro ny zava-pisotro dia miteny hoe : Isaorana anie Allah.