Tatitra azo avy tamin'i Abou Horairah (R.A), niteny i Mpaminany (S.W.A) nanao hoe : "Izay miteny hoe : Soubou-hànalloahywa bihamidihy (Dera sy fisaoarana ho an'i Allah) in-jato isanandro, dia voafafa avokoa ny helony na dia tahaky ny rotran-dranomasina". Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim
explain-icon

exp

Mampahafantatra i Mpaminany (S.A.W) fa na iza na iza miteny in-jato isan’andro hoe : “Soubouhànalloàhy wa bihamdihy = Voninahitra ho an’Andriamanitra ary ho Azy ny dera”; dia voafafa sy voavela ny helony, na dia be aza, tahaka ny rotran-dranomasina fotsy miposaka eny amin’ny ranomasina, rehefa manonja sy misafoaka.

explain-icon

fawaed

  • Io valisoa io dia ho azon'izay miteny azy mifanesy na misaraka isan'andro.
  • Ny (Tasobìhy) Fiderana : dia fanadiovana an’Allah amin’ny tsy fahalavorariana, ary (Alhamdoulillahi) Fiderana : filazana Azy amin'ny fahafenoana tanteraka miaraka amin’ny fitiavana sy ny voninahitra.
  • Ny tiana holazaina ao amin'ny hadith dia ny famafana ny fahotana madinika, fa ny ny amin'ny fahotana lehibe kosa dia tsy maintsy amin'ny fibebahana.
explain-icon

cats

explain-icon

more