Mamporisika atsika i Mpaminany (S.W.A) mba hiantehitra mandrakariva amin'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fitadiavana ny zava-tsoa sy fanakanana ireo loza amin'ny raharahan'ny fiainana eto an-tany sy ny finoana, satria tsy misy manome, ary tsy misy manakana, tsy misy mampidi-doza, na manome tombontsoa afa-tsy Izy irery ihany, Voninahitra anie ho Azy. Ary tokony hanao ireo antony rehetra mahasoa sy manala ny ratsy misy isika rehetra miaraka amin'ny fitokisana tanteraka an'Allah, ka rehefa manao izany Isika dia omen'Allah ireo anjaram-pivelomana tahakan'ireo vorona izay mivoaka ny maraina noana, dia miverina ny amin’ny hariva kosa dia voky ny kibony. Ity fihetsiky ny vorona ity dia karazana fomba sy antony iray izay hiezahana mitady ny sakafo hohanina, tsy misy fiankinan-doha sy hakamoana.