Iray tamin'ireo dia nataony ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò izy. Raha tonga teo amin'ny fanasan-tongotra, dia naninjitra ny tànany i Al-Moghìrah ibn Sho’'bah (R.A) mba hanala ny kapa teny an-tongotry ny Mpaminany mba hanasany ny tongony! Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Avelao izy ireo ary aza esorina, fa nataoko ao anaty ba kiraro ny tongotro ary efa madio aho. Ka nosafoin'ny Mpaminany (S.A.W) eo ambonin'ny Ba kirarony ho solon'ny fanasany ny tongony.