Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Raha miteny amin'ny namanao ianao hoe : Mangina, amin'ny andro zoma, raha mbola manao toriteny ny imam, dia efa diso fiteny ianao." Sahih/Authentic. - Al-Bukhari and Muslim
explain-icon

exp

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa iray amin'ireo fahalalam-pomba tsy maintsy atao ho an'izay manatrika ny toriteny zoma dia ny mihaino ny mpitoriteny, mba hisaintsainana ny toriteny, ary izay miteny - na dia zavatra kely indrindra aza - nefa mbola mitoriteny ny imam, ka miteny amin'ny hafa izy hoe : "Mangina ianao" ary "mihainoa", dia tsy nahazo ny valisoan'ny vavaka Zoma izy.

explain-icon

fawaed

  • Fandrarana ny fitenenana eo am-pihainoana ny toriteny, eny fa na dia amin’ny fanakanana amin'ny ratsy na ny famaliana ny fiarahabana na ny famalina ny mpievona.
  • Tsongaina amin'izany ireo izay miresaka amin'ny imam na izay iresahan'ny imam.
  • Azo atao ny miresaka eo anelanelan'ny toriteny roa raha ilaina.
  • Raha voatonona ny anaran'ny Mpaminany (S.A.W) rehefa manao toriteny ny imam, dia mandefa vavaka sy tso-drano ho azy am-pahanginana ianao, ary toy izany koa ny fitenenana AMINE rehefa mandeha ny Doan.
explain-icon

cats

explain-icon

more