explain-icon

exp

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa mariky ny finoana tonga lafatra ny fitiavana ny Ansar mponin'i Medina. Izany dia noho izy ireo ny nialohalalana amin'ny fanohanana ny finoana silamo sy ny Mpaminany, ary ny fiezahany hiaro ny mpino silamo, sy ny fanomezana ny volany sy ny ainy ho an'I Allah, ary ny fankahalana azy ireo dia mariky ny fihatsarambelatsihy. Avy eo nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay tia ny Ansar dia ho tia azy Allah, ary izay mankahala azy ireo dia mankahala azy Allah.

explain-icon

fawaed

  • Amin'izany dia ahitana valisoa lehibe ho an’ny Ansar, satria mariky ny finoana sy fanafahana amin’ny fihatsarambelatsihy ny fitiavana azy.
  • Ny fitiavana sakaizan’I Allah sy ny fanohanana azy ireo dia antony iray itiavan’I Allah ny mpanompo.
  • Toeram-boninahitra ananan'ireo nanaraka ny finoana silamo tany am-piandohana.
explain-icon

cats

explain-icon

more