Nampitandrina ny amin'ny finoanoam-poana ny Mpaminany (S.A.W), satria izy io dia finoana zavatra re na hita, na vorona na biby, olona manana fahasembanana, na isa, na andro, na zavatra hafa ankoatr'izany. Nolazaina fotsiny ny vorona eto satria izany no fanta-daza tamin'ny andron'ny habadoana, ary ny fiaviany dia ny famotsorana ilay vorona rehefa manomboka hanao zavatra iray toy ny fandehana-davitra, varotra, na zavatra hafa; ka raha nanidina tany ankavanana dia velom-panantenana ary miroso amin'ny zavatra tiany hatao, ary raha nanidina miankavia izany, dia raisiny ho fambara-ratsy ka manatsahatra ilay saika hataony izy. Nilaza izy fa fanompoan-tsampy izany, ary ny finoanoam-poana dia fanompoan-tsampy; Satria tsy misy mitondra soa afa-tsy Allah, ary tsy misy mahatohitra ny ratsy afa-tsy Allah irery ihany, izay tsy manana mpiombona miaraka Aminy. Nilaza i Ibn Masod (R.A) fa mety hilatsaka ao am-pon'ny mpino silamo ny finoanoam-poana, saingy tsy maintsy misoroka izany izy amin'ny alàlan'ny fianteherana sy fitokisana an'I Allah, miaraka amin'ny fandraisana andraikitra.