explain-icon

exp

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa Tompo Allah mandrara ny fianianana amin’ny razambe, ka izay te hianiana dia tsy tokony hianiana afa-tsy amin’I Allah ihany, fa tsy mianiana amin’ny zavatra hafa. Avy eo i Omar bin Al-Khattab (R.A) nilaza fa tsy nianiana tamin' izany intsony izy hatramin'ny nandrenesany ny irak'Allah (S.A.W) nandrara izany, tsy fananiana no sady tsy naheno fianianana nataon'ny olona tamin'ny zavatra hafa.

explain-icon

fawaed

  • Fandrarana ny fianianana amin’ny zavatra hafa ankoatra an’Allah, voalaza manokana ny fianianana amin’ny razambeny satria izany dia fomba fanao talohan’ny finoana silamo .
  • Fianianana: Dia fianianana amin’Allah, amin’ny anaran’Allah, na amin’ireo Toetoetran’Allah momba ny zavatra iray mba ho fanamafisana azy.
  • Ny voninahitr'i Omar (R.A) tamin'ny fanarahan-dalàna haingana, ny fahatakarana tsara ary ny tahotra ananany.
explain-icon

cats

explain-icon

more