Manazava i Mpaminany (S.W.A) fa izay manatanteraka ireo fanompoam-pivavahana dimy izay voadidy Aminy, ary tsy nanampy ankoatr'izany amin'ireo Soalat sounnat, ary nifehy amin'ny volana Ramadany ka tsy nanampy ireo fifadiankanina an-tsitrapo, Mino ny maha mety sy Halal ny zavatra iray ka notanterahiny antsakany sy andavany, ary mino fa voarara ny zavatra iray ka nalaviriny, ka izay Olona manana izany fotokevitra izany dia hiditra ao amin'ny Paradisa.